Matthew 18

1Tamin’izany fotoana izany ihany dia tonga teo amin’i Jesosy ireo mpianany ary niteny hoe: “Iza no lehibe indrindra any amin’ny fanjakan’ny lanitra?” 2Jesosy niantso ankizy kely ho eo aminy, nametraka azy teo amin’izy ireo, 3ary niteny hoe: “Lazaiko marina aminareo, fa raha tsy miova toy ireo ankizy kely ianareo, dia tsy hisy hevitra ny hidiranareo any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

4Noho izany, na iza na iza manetry tena toy ity ankizy kely ity dia lehibe indrindra izy any amin’ny fanjakan’ny lanitra. 5Na iza na iza mandray ny ankizy kely toy izao amin’ny anarako dia mandray Ahy. 6Fa na iza na iza mahatonga ny iray amin’ireto ankizy kely ireto izay mino Ahy hanota, dia ho tsara kokoa ho azy ny hiantonan’ny fikosoham-bary lehibe eo amin’ny vozony, ka halentika any amin’ny ranomasina lalina izy.

7Loza ho an’izao tontolo izao nohon’ny fotoanan’ny fanafintohinana! Fa ilaina ny ahatongavan’izany fotoana izany, nefa loza ho an’ny olona izay niavian’izany fotoana izany! 8Raha miteraka fanafintohina ho anao ny tananao na ny tongotrao, dia tapaho izany ary esory eo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana mandrakizay noho ny ho very any amin’ny afo tsy mety maty amin’ny fanana tanana roa na tongotra roa.

9Raha miteraka fanafintohinana ho anao ny masonao iray, hongoty izany ary esory eo aminao. Tsara kokoa ho anao ny miditra any amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny maso ila noho ny hoe very any amin’ny afo tsy mety maty miaraka amin’ny maso roa.

10Tandremo tsy hanao tsinotsinona ireo ankizy madinika ireo ianareo. Fa milaza aminareo Aho fa any an-danitra ireo anjeliny dia mijery foana ny endriky ny Raiko izay any an-danitra. 11[Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara indrindra dia tsy ahitana ny fehezanteny izay miseho toy ny v. 11. hoe: ‘’Fa ny Zanak’Olona dia tonga mba hamonjy izay very.‘’]

12Inona no eritreritrareo? Raha misy manana manana ondry zato, ka mankany amin’ny lalan-diso ny iray amin’izy ireo, dia tsy handao ny sivy amby sivifolo eo amin’ny avoana va izy ary andeha hikaroka ilay iray izay nankany amin’ny lalan-diso? 13Raha hitany izany, dia lazaiko marina aminareo, fa mifaly amin’izany mihoatra noho ireo sivy amby sivifolo izay tsy nankany amin’ny lalan-diso izy. 14Toy izany ihany koa, tsy sitraky ny Rainareo any an-danitra ny hahavery ny iray amin’ireo madinika ireo.

15Raha manota aminao ny rahalahinao, mandehana ary lazao azy ny hadisoany, aminao sy izy irery ihany. Raha mihaino anao izy, dia hifankahazo amin’ny rahalahinao indray ianao. 16Kanefa raha tsy mihaino anao izy, dia mangalà iray na roa hafa miaraka aminao, amin’izay mba amin’ny vavan’ireo vavolombelona roa na telo no ahafahana manamarina ny teny rehetra.

17Ary raha mandà ny hihaino azy ireo izy, dia lazao amin’ny fiangonana ny zava-mitranga. Raha tsy manaiky hiaino ny fiangonana ihany koa izy, dia avelao izy ho toy ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.

18Lazaiko marina aminareo, na inona na inona fehezinareo ety an-tany dia ho fehezina any an-danitra; ary na inona na inona avelanareo eto an-tany dia ho voavela any an-danitra. 19Dia mbola lazaiko aminareo indray hoe: “Raha misy roa aminareo manaiky eto an-tany ny amin’izay rehetra angatahan’izy ireo, dia ho atao ho azy ireo izany amin’ny alalan’ny Raiko izay any an-danitra. 20Fa na aiza misy roa na telo miara-mivory amin’ny Anarako, dia eo afovoan’izy ireo eo Aho.”

21Avy eo nanatona Petera ary niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tompo, impiry hanota amiko ny rahalahiko ka hamela azy aho? Hatramin’ny im-pito va?” 22Jesosy niteny azy hoe: “Tsy miteny aminao Aho hoe im-pito, fa hatramin’ny fitopolo im-pito.

23Noho izany ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny mpanjaka iray izay te hifandamina ara-bola miaraka amin’ireo mpanompony. 24Raha vao nanomboka ny fandaminana izy, dia nisy mpanompo iray nentina teo aminy izay nananany talenta iray alina. 25Nefa satria tsy nanana fomba handoavana izany izy, dia nandidy ny hamarotana azy ny tompony, miaraka amin’ny vadiny sy ireo zanany ary izay hananany rehetra, ka ho vita ny fandoavan-trosa.

26Noho izany dia niondrika ilay mpanompo, ary niankohoka teo anoloany, ary niteny hoe: ‘Tompo, manàna faharetana amiko, dia haloako aminao ny zavatra rehetra.’ 27Noho izany ny tompon’izany mpanompo izany, dia onena, ka nanafaka azy ary namela ny trosa taminy.

28Fa nivoaka io mpanompo io ka nahita ny iray tamin’ireo mpiara-manompo aminy, izay nananany dinaria zato. Nosamboriny izy, noraisiny tamin’ny tendany, ary niteny hoe: ‘Aloavy amiko izay notrosainao.’ 29Nefa niondrika io mpiara-manompo aminy io ary nitalaho taminy, nanao hoe: ‘Manàna faharetana amiko, dia haloako aminao indray.’

30Kanefa nandà ilay mpanompo voalohany. Mifanohitra amin’izany, nandeha izy ary nataony tany am-pigadrana ilay mpiara-manompo aminy mandra-pahaloany aminy izay notrosainy. 31Rehefa nahita izay niseho ireo mpiara-manompo aminy, dia nalahelo tokoa izy ireo. Nandeha ary nilaza tamin’ny tompony izay rehetra niseho izy ireo.

32Avy eo niantso azy ny tompon’io mpanompo io, ary niteny azy hoe: ‘Ianao ry mpanompo ratsy fanahy, namela ny trosa rehetra taminao aho satria ianao nitalaho tamiko. 33Tsy tokony hanana famindram-po amin’ny mpiara-manompo aminao va ianao, toy ny nananako famindram-po taminao?’

34Tezitra ny tompony ary nitondra azy tany amin’ireo mpampijaly mandra-pahaloany izay rehetra notrosainy. Toy izany ihany koa no ho ataon’ny Raiko any an-danitra aminareo, raha tsy mamela ny rahalahiny amin’ny fony ny tsirairay avy aminareo.”

35

Copyright information for PltULB